Hebrews 4

1Noho izany, aoka hitandrina tsara isika mba tsy hisy aminareo ny tsy afaka hahatratra ny teny fampanantenana navela ho anareo mba hidiranareo ao amin’ny fitsaharan’Andriamanitra. 2Fa isika dia nanambarana ny vaovao mahafaly tahaka azy ireo. Fa izany hafatra izany dia tsy nisy tombony ho an’ireo izay tsy nitambatra tao amin’ny finoana niaraka tamin’ireo izay nankatoa. (’Fanamarihana: ny dikanteny sasany dia mivaky toy izao:” Fa izany hafatra izany dia tsy nisy tombony ho an’ireo izay nandre azy tamin’ny tsy finoana.”)

3Fa isika izay nino dia ireo izay hiditra amin’izany fitsaharana izany, araka izay efa nolazainy hoe: “Tahaka ny nianianako tamin’ny fahatezerako, dia tsy hiditra velively ao amin’ny fitsaharako izy ireo.” Fa na izany koa aza, ny asa famoronany dia vita tamin’ny fanorenana izao tontolo izao. 4Fa izy niteny tany ho any momban’ny andro faha-fito hoe: “Andriamanitra nitsahatra tamin’ny andro faha-fito tamin’ny asany rehetra.” 5Ary mbola niteny indray izy hoe: “Izy ireo dia tsy hiditra velively ao amin’ny fitsaharako.”

6Noho izany, satria mbola voatokana ho an’ny sasany ny fidirana ao amin’ny fitsaharany, ary satria maro ireo Israelita nandre ny vaovao mahafaly tsy niditra tao nohon’ny tsy fankatoavana, 7dia nametraka andro iray indray nantsoina hoe: “Androany” Andriamanitra. Taorian’ny andro maro, dia niresaka tamin’ny alalan’i Davida Izy, toy izay voalaza mialoha hoe: “Anio raha mandre ny feony ianareo, dia aza manamafy ny fonareo.”

8Fa raha Josoa no nanome fitsaharana azy ireo, dia tsy niresaka momban’ny andro iray hafa Andriamanitra. 9Noho izany dia mbola misy sabata fitsaharana voatokana ho an’ny vahoakan’ Andriamanitra. 10Fa izay miditra ao amin’ny fitsaharan’Andriamanitra dia nitsahatra tamin’ny asany ihany koa, tahaka ny nataon’Andriamanitra tamin’ny Azy. 11Noho izany aoka isika hazoto hiditra amin’izany fitsaharana izany, mba tsy hisy na iray aza ho tafalatsaka amin’ny karazana tsy fankatoavana izay nataon’izy ireo.

12Fa ny tenin’Andriamanitra dia velona sy mandaitra ary maranitra noho ny sabatra roa lela. Izany dia manindrona hatramin’ny fanasarahana ny aina amin’ny fanahy, sy ny tonona amin’ny tsoka mihintsy aza. Ka afaka fantarina ny eritreritry ny fo sy ireo fikasana. 13Tsy nisy famoronana niafina teo anatrehan’Andriamanitra. Fa kosa, ny zavatra rehetra dia miharihary sy misokatra eo imason’ilay iray izay tsy maintsy hampamoahintsika.

14Noho izany, satria isika dia manana mpisoronabe lehibe izay lasa namaky ny lanitra, Jesosy Zanak’Andriamanitra, dia andeha isika hifikitra mafy amin’ny finoantsika. 15Fa isika dia tsy manana mpisoronabe izay tsy mahatsapa fangorahana amin’ny fahalementsika. Fa kosa, isika dia manana olona iray izay efa nalaim-panahy tamin’ny fomba rehetra tahaka antsika, saingy Izy tsy misy ota. Aoka ary isika andeha amin’ny fahatokiana ho any amin’ny seza fiandrianan’ny fahasoavana, mba handraisantsika ny famindram-po sy hahita fahasoavana hanampy amin’ny fotoana ilàna izany.

16

Copyright information for PltULB